Mombamomba
Mpikambana maneran-tany
Mpikambana manerana ny Nosy
Faritany
Niforona ny taona 1941 ny fikambanana Mpanazava Eto Madagasikara na MEM. Mifantoka amin’ny fampivoarana ny maha-olona feno ireo ankizivavy sy zatovovavy ao aminy ny fikambanana mba hahatonga azy ireo ho vavolombelon’i Jesoa Kristy, ho olom-pirenena vanona ary ho andrin’ny fianakaviana. Ny Mpanazava Eto Madagasikara no fikambanana lehibe indrindra misehatra ho an’ny ankizivavy sy zatovovavy eto Madagasikara. Raha jerena tokoa ny antontan’isa dia miisa ho 50 000 eo ny mpikambana izay hita eny amin’ny faritra 22 manerana ny nosy.




Ny fikambanana Mpanazava Eto Madagasikara dia mamondrona ireo skoto zazavavy avy amin’ny Synoda-mpiangonana 5 dia ny EEM, FLM, FJKM, FMTA, METM.
Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena kosa dia mpikambana ao amin’ny AMGE (Association Mondiale des Guides et Eclaireuses) ny MEM amin’ny alalan’ny SZM (Skotisma Zazavavy Malagasy). Isan’ireo mpikambana 10 tapitrisa manerantany mianoka ny fanabeazana tsy manara-drafitra izay mampiasa ny fomba skoto ny mpikambana ao amin’ny MEM.
Mba hahafahan'ireo mpikambana mitombo sy mitondra fiovana hatrany eo amin'ny fiarahamonina misy azy dia mizara telo lehibe ireo asa izay ataonay:

FANABEAZANA

ASA FIROTSAHANA

FITONDRANA FEO
Ireo mpikambana
Ny fikambanana Mpanazava Eto Madagasikara dia misokajy ho faritany 25 (Diana, Sava, Sofia, Boeny, Betsiboka, Analamanga Andrefana, Analamanga Avaratra, Analamanga Atsimo, Analamanga Atsinanana, Analamanga Afovoany, Mangoro Moramanga, Alaotra Ambatondrazaka , Atsinanana, Analanjirofo, Vakinakaratra Ambatolampy, Itasy, Tsiroanomandidy, Vakinakaratra Antsirabe, Morondava, Amoron’ i Mania, Matsiatra Ambony , Ihorombe, Fitovinany Atsimo Atsinanana, Vatovavy, Atsimo Andrefana, Anosy , Androy ).
Ary ireny faritany ireny dia misokajy ho faritra izay ahitana fivondronana maromaro.
Eo anivon’ny fivondronana, izay miorina eny amin’ny fiangonana, kosa indray dia misy ny vondrona Mpanazava izay mizara ho sampana 3:

VORONKELY
Sampana MAVO
- Phone:+1 (859) 254-6589
- Email:info@example.com

MPANAZAVA
Sampana MAITSO
- Phone:+1 (859) 254-6589
- Email:info@example.com

AFO
Sampana MENA
- Phone:+1 (859) 254-6589
- Email:info@example.com